« Tsy maintsy havaozana isan-taona ny toeram-piantsonana rehetra na ho an’ny taxi na ho an’ny olo-tsotra eto Antananarivo », hoy ny tale jeneralin’ny orinasa monisipaly misahana ny fitantanana ny parking (SMGD), Andriamananony Thierry, raha nanontaniana teny Analakely, omaly. Voakasik’ izany fanavaozana izany, ny fampihenana ireo fiara afaka miantsona eny amin’ny toerana voatondro. Apetraka ihany koa ny “boof mobil” raha ny voaray hatrany. Tanjona ny handrindrana ny fifamoivoizana misy eto Antananarivo.
Miara-mandinika
ny kaominina sy ny Smgd
Nodisoany ny filazana miely fa mifanilika andraikitra ny orinasa Smgd sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra mikasika ny fitantanana ny “parking”. Nohamafisiny fa miara-mandinika sy mitantana izany ny kaomisiona teknika misahana ny fitaterana eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy izy ireo. Jerena miaraka ny toerana sy ny isan’ny fiara taxi afaka miantsona amin’ ny toerana iray. Ampifandraisina amin’ny toerana hametrahana ireo “boof mobil” ihany koa. “Tsy maintsy mandalo eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny taratasy fangatahana ho an’ny taxi”, hoy ny fanazavany.
Tokony hifanaja ny rehetra
Nambarany fa maha voasazy ny miantsona eo amin’ny toerana tsy natokana ho an’ny tsirairay. Efa samy manana ny toerana hiantsonany avy ny taxi, ny moto, ny taxi-moto ary ny fiaran’olon-tsotra eto Antananarivo.
Ho an’ny eny Ambohijatovo manokana. Nilaza izy fa dimy ireo taxi afaka miantsona eny an-toerana. “Nahena io isa io satria tsy maintsy nasiana toerana ho an’ireo boof mobil izany”, hoy hatrany izy.
Tsiahivina fa niteraka olana teo amin’ireo taxi miantsona eny an-toerana izany tamin’ny herinandro lasa teo. Efa nahitana vahaolana io olana io satria efa nifampiresaka izy ireo sy ny tompon’andraikitra eo anivon’ ny kaominina Antananarivo. Efa nampiditra lisitra ireo toeram-piantsonana taxi ka eto am-piandrasana ny valiny ankehitriny.
Mino (mpianatra asa)