Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany : hamafisina ny sehatry ny fambolena

Niray dinika tamin’ny mi­nisitry ny Fiompiana sy ny fambolena, Harifidy Rami­lison ny masoivohon’i Afrika Atsimo, Sem Sisa Ngombane, afakomaly. Navoitra nandritra ny fihaon’ny roa tonta ny fomba entina hanatsarana ny seha-pambolena sy ny fiompiana eto an-toerana. Anisan’ ny hitondra ny anjara birikiny amin’izany ny eo anivon’ny firenena afrikanina tatsimo. Raha tsihivina, misedra olana eo amin’ny lafiny famokarana ny tantsaha eto an-toerana. Misy ireo toerana manana vokatra maro saingy saro-dalana ka potika sy atao varo-mora ireo vokatra. Ankilany, maniry hamokatra manaraka ny ara-dalàna ny tantsaha any amin’ny faritra sasantsasany kanefa vitsy ny fiofanana sy ny fanentanana tonga any amin’izy ireny.

Tsiferana R.

Partager sur: