Fifamoivoizana eto Antananarivo: manamafy ny fandaminana ny polisy monisipaly

Mitohy hatrany ny fandaminana ny fifamoivoizana sy fanalana ireo mpivarotra tsy ara-
dalàna ataon’ny polisy monisipaly…

Nanamafy ny asa fandaminana efa fanaony andavanandro ny polisy monisipaly amin’izao fotoana izao. Ambohijatovo, Antanina­renina, Behoririka, Anosy ary Analakely manoloana ny Lycée Rabearivelo, ny toerana be olona sy ahitana fitohanana no tena hanaovana izany hetsika izany. Ny asa tanterahana amin’ izany, ny fanalana mpivarotra tsy ara-dalàna manelingelina fifamoivoizana, fanesorana ny olona manahy lamba eny amoron’arabe sy mpatory amoron-dalana. Eo koa ny fampianarana ny olona hiampita amin’ny toerana fiampitana ary fanoroana ny vahiny tsy mahita lalana. Ankoatra izany, manatanteraka ny fandrindrana ny fifamoivoizana koa ny polisy monisipaly indrindra eny amin’ny toby fiantsonana mba hialana amin’ ny fitohanana. Tafiditra ao anatin’ny asan’izy ireo koa ny fampianarana ny mpampiasa lalana momba ny lalàna mifehy ny fi­famoivoizana “code de la route”.
Raha ny eny amin’ny faritra Anosy manokana, misy ny “poste avancé” ho an’ny “police de proximité” manatanteraka ny fampiharana ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana “CMH”. Andrai­kitr’izy ireo amin’izany, ny fanadiovana lalana, fitandroana ny fandriampahalamena iaraha-miasa amin’ny polisim-pire­nena. Eo koa ny fiarovana ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana iombonana. Vao nosokafana ity “poste avancé” ity satria araka ny vinan’ny ben’ny Tanàna, tokony hisy izany isaky ny boriborintany. Anosy, Coum 67 ha no efa misy hatreto.

Jean Claude

Partager sur: