Fimpizoa : 812 ny mpivarotra mpikambana

Notanterahana ny alarobia lasa teo tao amin’ny Tranom-pokonolona Analakely ny fihaonambe voalohan’ireo mpivarotra amoron-dalana ao amin’ny Fikambanan’ny mpivarotra zone Analakely (Fim­pizoa). Nampahafantarin’ny filohan’ny fikambanana ireo mpikambana ny fijoroan’ny fikambanana ara-dalàna, teo ihany koa ny fanazavan’ny tomponandraikitra eo anivon’ ny kaominina ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny CUA sy ny fikambanana. Nisy koa ny fizarana karatra nomerika ho fanamarinana ny maha mpivarotra nandritra ny fihaonana. Navelan’ny kaominina hivarotra amoron-dalana ireo mpivarotra ireo mandra-pitsangan’ny fotodrafitrasan’ny tsena vaovao, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra avy eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Araka izany, tsy hijanona hi­varotra amoron-dalana mandrakizay ireto mpivarotra ireto fa mbola vahaolana vonjimaika ihany izao atolotry ny CUA izao.
Misy kosa anefa ny fepetra tokony harahin’ireo mpivarotra ahafahany manao ny fandaminana ho tombontsoan’ny rehetra. Tsy ny toerana rehetra no ahafahana mivarotra. Anisany fepetra ny fanajana ny « traçage » efa nosoritan’ny CUA hisian’ny filaminana. Mety hitarika fanasaziana ho an’ireo mpivarotra ny tsy fanajana izany. Nanamafy ny tomponandraikitra fa tsy azo ivarotana eny ambonin’ny faritra ho an’ny mpandeha an-tongotra latsaky ny 3 metatra ny sakany sy manoloana ireo trano fianarana isorohana ny tabataba. 812 ireo mpivarotra mpikambana ao anatin’ny Fimpizoa efa nahazo karatra ara-dalàna avy amin’ny kaominina. Manome tombony ho an’ny mpivarotra ny karatra nomerika satria miady amin’ ny kolikoly.

Vonjy A.

Partager sur: