“Ilay seho”… Izay mihitsy no nampisaloran’i Lova Mpagnesa ny fiakarana an-tsehatra hotontosainy rahampitso, etsy amin’ny AFT Andavamamba. Maneho ny fanomanana, ny fiandrasana ny fotoana ary ny fahavononana hanatontosa “Ilay seho” izay anarany izay. “Mahafaly ahy indrindra ny mampahafantatra ity seho ity, indrindra ny fiarahana amin’ireto mpanakanto manana ny mampiavaka azy tsirairay ireto”, hoy i Lova Mpagnesa. I Olo Blaky, Mashmanjaka ary Drwina ireo mpanakanto hiara-dia aminy anatin’ity “Ilay seho” ity.
Anisan’ny nihaonany tamina mpanakanto manatalenta sy mitovy fironana ny fanomanan’i Lova Mpagnesa ny rakikirany voalohany, “Magnetikatimo”. Hisy ampahany amin’ireo hira horaiketina ao no ho entiny an-tsehatra amin’io. Natao indrindra hampahafantarana ny tena mpankafy mozika ny mety ho endrikendriky ny vokatra, izay hivoaka tsy ho ela izany. Mandalo ihany ity mpanakanto ity amin’izao fotoana izao, eto an-tanindrazana.
Efa nisy ny fiakarana an-tsehatra notontosainy tamin’ny herinandro, tao amin’ ny La Fabrik Ampasanimalo sy Le Garage Antsahavola. Hanasany ireo tia mihaino mozika vaovao kosa “Ilay seho” rahampitso.
Zo ny Aina