Tratran’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Ambohidratrimo teny Mandrosoa Ivato, omaly, ireo roa lahy voarohirohy tamina raharaha fivarotana rongony. Nahazo loharanom-baovao ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra momba ny fisiana mpanao trafikana zava-mahadomelina ao amina trano iray ao amin’ny fokontany Mandrosoa. Nametraka ny vela-pandrika rehetra ahafahana misambotra ireto voarohirohy ny zandary ka olona roa tratra tao an-trano. Fantatra nandritra ny famotorana fa avy any amin’ny distrikan’Ambovombe Androy ireto roa lahy tratra ireto. Rongony avy any amin’iny faritra Atsimo ihany koa ireto azo ireto. Taorian’ny fisavana nataon’ny zandary, fonosan-drongony tamin’ny taratasy sy harona plastika lehibe no hita tao an-trano izay mitotaly 3,200 kg. Tsy vitan’izay fa mbola nahitana mohara niaraka tamin’ny vodim-bala koa tao amin’izy ireo. Nilaza izy ireo fa ody mpiaro azy amin’ny fanafihana mitam-piadiana ity mohara ity. Hatolotra ny fampanoavana avy hatrany ry zalahy aorian’ny famotorana ataon’ny zandary.
Jean Claude