Mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina na Peace corps miisa 23 mianadahy indray no tonga manatevin-daharana ireo namany. Tonga omaly teto amintsika izy ireo hiantsehatra amina karazana asa sosialy any amin’ireo toerana tena mila izany.
Hiatrika fiofanana momba ny teny sy ny kolontsaina mandritra ny 12 herinandro izy ireo mialohan’ny hiparitahany any amin’ny toerana hanatanterahany ny asany avy.
Haharitra roa taona ny asa ary hiompana amin’ny fampiroboroboana ny fahasalaman’ ny reny sy ny zaza. Ny sasany kosa hiandraikitra ny fanohanana ireo tetikasa momba ny rano sy ny fahadiovana ary ny fidiovana.
Marihina fa misy amin’ ireo mpilatsaka an-tsitrapo manampy ny fampianarana teny anglisy eny amin’ireo sekolim-panjakana sasany. Ny hafa mampianatra ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana.
Nandritra ny firongatry ny valanaretina Covid-19 dia nampodiana ireo mpilatsaka an-tsitrapo ho fiarovana ny ainy. Efa milamindamina ny aretina ankehitriny ka izao miverina tsikelikely izao izy ireo.
Tatiana A