Tambajotran-jiolahy ; dimy lahy indray matin’ny zandary

Ravan’ny zandarimaria avy ao Maevatanana ny tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadina sy mpanakan-dalana. Taorian’ny nahafatesan’ ireo jiolahy telo lahy saika ha­nafika taksiborosy avy ao Maha­janga saika hihazo ny renivohitra ny alahady teo. Nitohy ny famotorana ny raharaha. Voa-sambotra mialohan’io kosa ireo namany roa lahy voatondro ho atidoha nikotrika iny fanafihana iny. Isan’ireo nandray anjara tamin’ny nahafatesan’olona ny taona 2022 izy roa lahy ireto, hoy ny fanazavana voaray. Nan­dritra ny famotorana natao, nanaiky ny hanoro ny toerana fanafenana ireo fitaovam-pia­dina izy ireo. Vokany, namonjy ilay toerana voalaza niaraka tamin’ireto jiolahy ireto ny zandary. Teny an-dalana, nanararaotra nitsoaka izy roa lahy. Nam­pitandrina avy hatrany ny mpitandro filaminana saingy nanohy ny diany hatrany izy ireo. Araka izany, voatery nitifitra ny mpitandro filaminana ka samy lavo izy roa lahy. Tsiahivina fa lavon’ ny zandary ny alahady teo ihany koa ireo namany saika hanafika taksiborosy. Notafihan’ireto olon-dratsy ireto tokoa ity fiara fitaterana ity, ny alin’ny zoma hifoha asabotsy teo, teny Maro­taolana rehefa avy narahina moto. Tsy nisy ny entana voa­roba saingy simba tanteraka ny fiara. Taorian’io, lehilahy iray no voasambotra sy voarohirohy. Mbola hita tao anaty findainy rahateo ireo SMS nifampiresahany tamin’ny namany. Tratra ihany koa ilay lehilahy. Izy roa lahy ireto izay atidoha nikotrika ity fanafihana taksiborosy ity ka naniraka ireo telo lahy voalaza etsy ambony. Ankehihi­triny, rava ity tambajotra ity ary samy maty voatifitra avokoa izy dimy lahy.

Henintsoa H.

Partager sur: