Taonjato faha-xx: Liana tamin’ny sary hosodoko ny fiarahamonina merina

Nampidirin’ny Eoropeani­na teto Antananarivo voalohany ny sary hosodoko tamin’ny taona 1826, tao anatin’ny vanim-potoana fanjanahantany, nataon’i Pauline Mongi­not. Niaraka tamin’ny tantaran’ny fanjanahantany ny hosodoko, ary nihanaka haingana tao anatin’ny fiarahamonina merina. Avy tamin’ny fanadihadiana natao tamin’ireo tahiry tamin’izany fotoana no nahafantarana fa mirakitra tantara isan-karazany ireny sary ireny, ary notohanan’i Yavarhoussen izany. Ny tontolon’ny hosodoko teto An­tananarivo, ohatra, no nampahafantatra ireo mpanao sary, ny tantarany, sy ny asany.

I Pauline Monginot, mpahay kolontsaina sy ny momba an’i Madagasikara manokana, mpikaroka tao amin’ny Ivon­toeram-pirenena momba ny tantara, nampahalala ny fanofanana sy ireo fepetra tamin’ izany asa izany. Nampaha­fantatra ihany koa ny anjaran’ ny vehivavy manokana teo amin’ny tantara.
Tsy maintsy manaraka ny fepetra takina na ireo mpanao hosodoko vazaha na Malaga­sy. Fepetra mifanaraka amin’ ny lafiny politika sy kolon­tsaina vahiny, sy ny fahazarana anatin’ny fiarahamonina me­rina.

Samy hita taratra tamin’ny mpanakanto tandrefana sy malagasy avokoa izany tamin’ ny taonjato faha-XX. Avy amin’ny fanadihadiana natao tany Frantsa sy teto Madaga­sikara ireo sary hosodoko nandravona ny tantaran’Anta­nanarivo.

Ndrina

Partager sur: