Tsenabe Isotry: jiolahy tratra nivarotra vilanibe halatra

Tsy mifidy intsony ireo jiolahy! Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny fanadihadiana azy ity jiolahy iray tratra namaky tranon’olona teny Ambatomena ity. Voa­sam­botry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra (CSP4), Isotry teo amin’ny tsenabe Isotry ilay jiolahy, omaly tamin’ny 5 ora maraina. Voarohirohy amina halatra mi­haro vaky trano izy. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy fa niditra an-tsokosoko nangalatra tao amina tokantrano iray eny Ambatomena ity jiolahy ity, omaly. Lasa tamin’izany ny kojakojan’entana maromaro fampiasa ao an-dakozia. Nampandre haingana ny polisy ireo niharan’ny vaky trano. Efa fantapantatry ny polisy ihany ny toerana fitobian’ireo entana halatra avy nangalarin’ny jiolahy ka nidina haingana teny Isotry izy ireo. Taorian’ny fikarohana, tratra teny an-tsenabe Isotry izy niaraka tamin’ny vilanibe roa very nandritra ny vaky trano. Fantatra nandritra ny famotorana savaranonando fa tompon’antoka tamin’ilay vaky trano teny Ambatomena izy. Fantatra fa mpitatitra entana sy irakiraka tao amin’ilay tokantrano ity jiolahy ity ka mahafantatra ny ao an-trano sy ny manodidina. Mitohy ny famotorana azy.

Tsiferana R.

Partager sur: