Taorian’ny hetsika zoma mahafinaritra teny amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina Malagasy na IKM Antsahavola dia eny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo na AFT Andavamamba indray ny ambohipihaonan’ny mpankafy Slam poésie ny asabotsy 18 febroary 2023.Tafiditra ao anatin’ny hetsika “Ça claque”. Hetsika karakarain’ny AFT Andavamamba miaraka amin’ny fikambanana Madagaslam.
Tafaverina indray ny hetsika “Ça claque” taorian’ny fotoana tsy nahitana azy noho ny fandaminana avy amin’ny mpikarakara. Hetsika voalohany ity ho an’ity taona 2023 ity. Ny volana oktobra 2022 no nisian’ny “Ça claque” farany ho an’ny mpankafy Slam poésie ao amin’ny AFT Andavamamba. Manana ny maha izy azy, ary miavaka tokoa ity hetsika ity. Miray vina ny tompon’andraikitry ny AFT sy ny Madagaslam amin’ny fikarakarana ny hetsika. Tanjona ny hampitana ny fampianarana sy fanabeazana ny teny Frantsay amin’ny alalan’ny kolontsaina sahala amin’ny Slam Poésie. Tsikaritra fa isan’ny mahaliana ny tanora ity taranja ity ankehitriny. Hitohy hatrany, araka izany, ny fiaraha-miasan’ny fikambanana Madagaslam sy ny Alliance Française.
Lin (Mpianatra asa)