Vita tsara ny fitiliam-pahasalamana na “visite médicale” an-dRazafindranaivo Koloina na Rakool, malagasy mpilalao baolina kitra, ao amin’ny kioba Mouloudia Alger FC (MAFC) Alzeria, ny alarobia lasa teo. Taorian’izany dia nisy ny fanazaran-tena voalohany nataon’i Rakool niaraka tamin’ireo mpilalaon’ ny MAFC, ny alakamisy lasa teo.
Faly tokoa i Rakool, ary nilaza izy fa vonona ny hanome ny tsara indrindra avy aminy ho an’ity klioba ity. Hilalao any Eoropa sy hanao “Ligue des Champions” no tena faniriany.
21 taona Rakool, ary anisan’ny tena nampiavaka azy ny Chan Alzeria 2022. Marihina fa izy no voahosotra ho mpilalao mendrika nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona, ary ny baolina matiny tamin’ny Mozambika no baolina tafiditra tsara indrindra tamin’iny Chan 2022 iny. Ankoatra izay, tafiditra ao anatin’ireo mpilalao 11 mendrika tamin’ny Chan ary anisan’ireo mpilalao ao anatin’ny lisitry ny lohalaharana mendriky ny OPL Awards Rakool.
Tsiahivina fa tamin’ny alatsinainy teo izy no niainga teto Madagasikara hihazo an’i Alzeria.
Fitia (Mpianatra asa)