Manana fitarainana avy amin’ny olona ny eny anivon’ny polisim-pirenena, ramatoa mpividy fiara, monina ao amin’ny fokontany Ataboka, kaominina sy Distrikan’Arivonimamo no nivadi-pitokisana ka mampitaraina ireo izay sendra azy. Anisan’ ireo lasibatra ny renim-pianakaviana iray ao Antanifotsy. Nivarotra kamiao lehibe iray tamin’io ramatoa voatondro ho mpisoloky io izy. Misy taratasy fifanarahana ara-barotra sy fifanekena fa 50 tapitrisa Ariary no vidin’ny kamiao be «1313» . Tsy voaloa ny vola izay mbola misy ambiny 14 tapitrisa Ariary, herintaona aty aoriana ary efa niova laharana intelo ny fiara. “Mihemotra lava ny fotoana handoavana azy ary tsy naloany hatramin’izao. Fiara 50 tapitrisa Ariary no namarotana azy ary 25 tapitrisa no vola nomeny voalohany», hoy ny voasoloky. Mpivarotra fiara efa misy antoka amin’ny banky ireny ilay ramatoa kanefa voafitany hatramin’ ireo havany akaiky. Hialana ny feon-dakolosy tokana, nidina ifotony tany Arivonimamo hanontany azy ny mpanao gazety. Nambaran’ny rafozan’ilay ramatoa fa tsy ao an-toerana io olona io. Teny an-tanan’ny rafozany anefa ny findainy rehefa nantsoina. Tratra antso, «izahay dia vonona hanome ilay volan’olona 14 tapitrisa ariary», hoy ilay ramatoa. Etsy ankilany, manambana ny tsy hipetra-potsiny intsony ireo lasibatra. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsiferana R.