CESC: hatao hanampy ny governemanta sy ny Antenimiera roa

Heverina ny tokony hananganana ny Filankevitra momba ny toekarena, sosialy, ary kolontsaina (CESC)*. Antony, hametraka bebe kokoa ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara.

Tsy mbola tafapetraka hatramin’izao ny CESC na efa voafaritry ny Lalàmpanorenana aza izany ao amin’ny andininy faha-105. Tao anatin’ny volana maromaro, ny solontenan’ny firaisamonina sivily, ny sehatra tsy miankina ary ny sendika nitondra ny fanetsiketsehana amin’ny fa­nanganana ny rafitra. Nisy ny fifampiresahana sy fifampidinihina teo amin’ireo mpisehatra samihafa ireo, anisan’izany ny teo anivon’ny fanjakana.

Heverina ho sehatra iankinan’ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny alalan’ny fa­haiza-manao isan-karazany ra­ha ny mpikambana ao aminy. Tokony ho hita ao, ohatra, ny solontenan’ny faritra, mpampiasa, mpiasa, mpianatra, fanjakana, firaisamonina sivily, sns …
Tao amin’ny Antenimieran’ ny varotra Antananarivo, om­aly, ny atrikasa fanolorana ny toromarika momba ny volavolan-dalàna ho fananganana ny CESC. Tanjona, ny fanolorana ny fehin-kevitra ho fitarihana ny famolavolana ny volavolan-dalàna.
Raha tsiahivina, voafaritry ny andininy faha-105 ao amin’ny Lalàmpanorenana. Voa­ton­dron’ny fitondram-panjakana izy io mba hanome ny heviny momba ny toekarena, sosialy, ary kolontsaina. Azony atao ihany koa ny mandinika na milaza ny heviny mifandraika amin’ireo lohahevitra ireo. Tsy anatiny kosa ny lalàna momba ny tetibolam- panjakana. Ma­rihina hatrany fa voafaritra amin’ny lalàna fehizoro ny fandrafetana, ny fahefana ary ny fiasany.

Iraka efatra lehibe
Raha fintinina dia manana iraka efatra lehibe izy io : Mampahafantatra sy manampy ny governemanta sy ny Antenimiera roa amin’ny maha mety na tsia ny politikam-panjakana, ny fifanakalozan-kevitra sy ny fitadiavana marimaritra iraisana, manampy amin’ny fanombanana ny fahombiazan’ ny politikam-panjakana, ary manamora sy manosika ny  fifandraisana tsy tapaka amin’ ny faritra rehetra.
Manoloana ny tsy fahombiazan’ny Andrim­panjakana sasany, mety ho vahaolana ny CESC. Hanaraka sa tsia ny fanjakana ?

Ndrina

CESC* : Conseil économique, social, culturel

Partager sur: