Namerina nampahatsiahy ny maha zava-dehibe ny fahavitan’ny vaksiny tokony hatao mialohan’ny faharoa taonany ny tompon’andraikitry ny vaksiny etsy Befelatanana. Mahavita miaro ny zaza
amin’ny karazan’aretina 11 ny vaksiny ary tokony hovitaina mialohan’ny faha roa taonany. Anisan’izany ny aretin’ny raboka, koho-davareny, tetanosy, lefakozatra, kitrotro, difteria, pnemonia, aretin-tsofina…
Mila averina anefa ireny vaksiny ireny mba hanamafy sy hampitombo ny hery fiarovana satria misy fetrany ny fiasany anaty vatana. Efa misy ny tetiandron’ny vaksiny hazavain’ny dokotera sy ny mpampivelona izay tokony arahina an-tsakany sy an-davany.
Ny fahavitan’ny zaza ny andiam-baksiny dimy alohan’ny faharoa taonany dia mampihena ny taham-pahafatesana sy ny takaitra azo avy amin’ny aretina 11 mpahazo ny zaza.
Ho an’ny aretina kitrotro, tena mora mifindra ary mahafaty haingana ny zaza ka mila vitaina haingana ny vaksiny amin’izany. Fatra roa fara-fahakeliny no ilaina vao mahaaro amin’ny aretina kitrotro. Atao eo amin’ny fahasivy volana sy faha 15 volana izany.
Mila raketina anaty karne ihany koa ny fahavitan’ny vaksiny hahafahana manaraka tsara izany sy manavao indray ny vaksiny tokony hatao.
Misokatra ho an’ny rehetra hitondra zaza hatao vaksiny ny CSB rehetra sy ny hopitaly. Misy koa ireo mpiasan’ny fahasalamana efa voaofana hanatanteraka izany mitety tanàna, indrindra amin’ireo toerana alavitra toeram-pitsaboana.
Raha ny salanisa, nidina 84% ny tahan’ny fanaovam-baksiny DTC-HepB-Hib1 tamin’ny taon-dasa raha nahatratra 100% izany tamin’ny 2020. 69% no nahavita ny Var raha 87% izany tamin’ny taon-dasa. Maro ny antony ary anisan’izany ny tsy fahafahana nivoaka ny trano nandritra ny roa taona nisian’ny fihibohana izay tena nisy fiantraikany tamin’ny fanaovam-baksiny.
Tatiana A