Tanterahina, anio, eny amin’ny Tranompokonolona Analakely, ny varavarana misokatra ho an’ny fanabeazana amin’ny alalan’ny mozika. Fikambanana maro no miara-misalahy amin’ny fanatanterahana ity hetsika ity. Isan’izany ny Madajazzcar sy ny LMM ary ny FMMO (Fikambanan’ ny Mpitendry sy Mpankafy Orgue). Tanjona amin’izao hetsika izao ny hampahafantatra bebe kokoa ny tontolon’ny mozika sy hamerina ny hasin’izany eto Madagasikara.
Mitondra fanabeazana sy fampianarana ho an’ny rehetra, indrindra ny ankizy, ny mozika. Izany no antony hanaovana izao hetsika izao. Tsapa mantsy ny fahalianan’ny olona maro, indrindra ny tanora eo amin’izany sehatry ny mozika izany. Misy anefa ny somary mivoana ka tsy mitondra fanabeazana sy fampianarana intsony.
Fizarana sy fifampizarana eo amin’ny sehatry ny mozika, fampianarana ho an’izay liana amin’izany. Ireo no handrafitra ny fandaharam-potoanan’ny hetsika “Fanabeazana ara-mozika” amin’ity anio ity.
Lin (Mpianatra asa)