Fanovana governemanta: filaharambe ny fanaterana antontan-taratasy

Misahotaka ny mpanao politika. Ilaharana ny fidirana ny birao foiben’ny antoko mpanohana ny filoham-pirenena. Tsy hiova daholo ny mpikambana rehetra amin’ny governemanta. Homen-danja ny antoko sy fikambanana mitovy firehan-kevitra amin’ny fitondrana.

Eo am-piandrasana izay anarana hisolo praiministra sy ny mpikambana vaovaon’ny governemanta ny olom-pirenena, indrindra ny mpanao politika. Vantany vao niely ny vaovao fa nisy ny fisaorana faobe nataon’ny Filoham-pirenena, nilomay ny mpanohana. Nihazakazaka tamin’ny tambajotran-tserasera, naneho hevitra ny mpitolona. Faly sy ny velom-panantenana fa hiditra an-dapa. Ela rahateo no niandrasan’ireo mpanohana voailika hatrizay. Hatramin’ny omaly, filaharam-be teny amin’ny foiben’ny antoko TGV, Ivandry.
Manginy fotsiny ny teny amin’ny foiben’ny fikambanana, isan-karazany. Mihaza­kazaka ny fanangonana ana­ran’izay olona hatolotra sy ny fampanaovana azy ireny taratasy fiantohana fa tsy hivadika rehefa mahazo toerana.
Maro ny fanehoan-kevitra nataon’ny mpanao politika mahakasika ity fanovana go­vernemanta ity, indrindra ny fanesorana ny praiministra. “Tsy mampino ny hanalan’ny filoham-pirenena ny lehiben’ny governemanta. Efa tamin’ny fitsipaham-pitokisana na­taon’ny solombavam-bahoaka no nataony izany raha hanao izany izy” hoy i Ratsirahonana Norbert. Nisy ny loharanom-baovao iray, nanontaniana, nanamafy izay voalazan’ny filoham-boninahitry ny antoko AVI izay : “Sarotra ny hialan’ny praiministra ankehitriny. Tsy mino aho fa hametra-pialana na ho esorina izy”.
Mazava ny fanambarana nataon’ny mpitondra tenin’ny governemanta, Ramatoa Ra­kotondrazafy Lalatiana, fa tsy ny mpikambana rehetra akory no esorina. Miankina amin’ny filoha sy ny praiminisitra ny fanapahan-kevitra. Izy ireo no voalaza fa tompon’ny teny farany amin’ny fotoana hanatanterahana izany.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: