Hetsiky ny Fimpima: ho foana ny fiantsonana eo Analakely

Ho fanokafana ny fankalazana ny faha-60 taona niore­nan’ny fikambanan’ny mpikambary malagasy (Fimpi­ma), hotanterahina eny Ana­lakely sy ny manodidina. Nampa­hafantarin’ny kaominina Antananarivo Renivo­hitra ny ho fanafoanana ny fiantso­nan’ny taksibe rehetra manaraka ny araben’ny Faha­leovantena miainga eo amin’ny Miniso Life ka hatreny amin’ny Pizza mania anio. Manentana ny mpampiasa lalana hanaraka ny toromarika rehetra ny tomponandraikitra. Hiverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana rehefa mifarana ny lanonana. Mila mijery mialoha lalana hafa tsy mandalo eo Analakely sy ny manodidina izany ireo manan-draharaha manakaiky eny hisorohana ny fitohanana. Tokony hamela malalaka ny toerana hahazoan’ny fi­kambanana manatontosa ny hetsika ny daholobe ary ma­nantena ny fiaraha-miasa hanamorana ny lamina ny kaominina .

Partager sur: