Naharitra ora iray ny fifampitifirana teo amin’ny dahalo sy ny zandary nanao fanarahan-dia niaraka tamin’ ny fokonolona tao Ambodimanga, Morafeno ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy teo. Nentin’ny dahalo nandositra ny omby dimy an’ny olona iray tao amin’io fokontany io. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ny lasibatra ka raikitra ny fanarahan-dia. Raikitra ny sakoroka tsy lavitra ny toerana nitrangan’ny fanafihana. Lavo nandritra izany ny iray tamin’ireo dahalo. Votsotra teny amin’izy ireo ny omby halatra rehetra. Nalevin’ny fokonolona teo amin’ny toerana nahalavo azy io dahalo io.
Tsy nisy naratra kosa ireo mpanara-dia. Mitohy ny fikarohana ireo naman’ity dahalo maty voatifitra ity.
Tsiferana R.