OPL : hihaona amin’ny Fosa Junior ny Uscafoot

Hotanterahana anio sy rahampitso ny andro fahenina ho an’ny fifaninanam-pirenena Orange Pro League (OPL), taona 2023, taranja baolina kitra. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonan’ny Uscafoot Analamanga sy ny Fosa Junior FC Boeny. Lalao izay hotanterahina eny amin’ny kianja Alarobia, ny alahady ho avy izao. Lalao azo heverina ho toy ny famaranana kely izy ity satria ny Fosa no mitana ny laharana voalohany, manana isa 15 ao amin’ ny kaonferansy avaratra, raha toa ka ny Uscafoot no faharoa manana isa 9, ao amin’io vondrona io.
Hanala vela amin’ny Fosa Junior, araka izany, ny Uscafoot, lavon-dRy Dax tamin’ny isa 2 no ho 1 ry Feldman, tamin’ny lalao ara-pirahalahiana izay natao ny 5 novambra 2021, teny ambohidratrimo.

Fitia (Mpianatra asa)

Notolorana 150.000.000 Ar ny Barea

Araka ny efa nambaran’ny Federasiona Malagasin’ny baolina kitra (FMF), nomena ny Barea tamin’ny alakamisy lasa teo ny “prime” 150.000.000 Ar. Izany dia natolotry ny FMF, ho an’ ireo mpilalao 24 sy ny Staff, teny Isoraka. Izany dia nataon’ny FMF ho fankasitrahana ny zava-bitan’izy ireo tamin’ny Chan Alzeria 2022.
Marihina fa tsy ilay “primes”-ny CAF na “Prizes money” ity vola natolotra ity.

Partager sur: