Niakatra fampanoavana afakomaly hariva ireo olona 10 voasaringotra tamin’ilay vono olona mahatsiravina tetsy Andavamamba, ny herinandro teo. Taorian’izay, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora avokoa izy 10. Isan’izany ireo mpivady voatondro ho atidoha nikotrika ny raharaha, ny rahalahin’ilay lehilahy sy ireo namany. Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa resaka hofan-trano no namonoana an’ilay ankizilahikely 10 taona. Tsy nahaloa hofan-trano ireo mpanofa ka tonga nitaky izany ilay renim-pianakavina. Tezitra tamin’izay ireo mpivady mpanofa trano ka nanao teti-dratsy hanafika ireo tompon-trano. Ny harivan’ny zoma 10 febroary teo, niditra an-keriny tao amin’ireo tompon-trano ireto jiolahy. Notanterahana ilay fanafihana ary nitady ilay renim-pianakaviana izy rehetra sady nitaky vola. Tsy tao anefa ny renin’i Allan ka nanamparana habibiana ity zanany lahy. Notsindromina antsy tao amin’ny heliny izy ka nahazo ny fony izany. Minitra vitsy taorian’izay, namoy ny ainy izy. Ilay mpanampy vavy kosa naolana sady nofatorana ka tsy afaka niantso vonjy. Nisokatra ny famotorana. Voasambotra taorian’izay ireo mpivady mpanofa trano, nanaraka izany ireo namany sy ireo havany niray petsapetsa taminy.
Tapaka lalan-dra
Ankoatra ity, nivaly ihany ny fitiliana nataon’ny mpitsabo momba ny nahafaty an-dRabezanahary Lalao. Ilay raim-pianakaviana maty irery tao an-tranony tetsy Ambohipo ny talata teo. Tapaka lalandra, io no voalaza ho nitarika ny fahafatesany. “Tsy misy hifandraisany amin’ny resaka politika mihitsy ity tranga ity. Ary aretina no nahafaty azy”, hoy ny polisim-pirenena. Tsiahivina fa tsy nandrenesam-baovao nanomboka ny sabotsy lasa teo ity “coordonateur général” ny antoko vondrona miaro ny fitondrana (VMF) ity. Nandeha mafy ihany koa ny “radio” ary nihidy avy ao anatiny ny trano fonenany. Nampiahiahy ny manodidina izany rehetra izany ka nampandrenesina ireo havany sy ny polisy. Novakiana, araka izany, ny varavarany ka hita nitsirara tamin’ny tany ity raim-pianakaviana 59 taona ity, ny talata teo. Mbola noentina vonjimaika teny amin’ny HJRA saingy 15 minitra taorian’izay, namoy ny ainy izy.
Henintsoa H.