Hotanterahana rahampitso ny lalao fihantsiana eo amin’ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa miaramila. Fihaonana izay tafiditra amin’ny lalao “Super coupe Mada”, taranja Rugby, izay atao eny amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka. Anisan’ ireo fihaonana efa nandrasan’ny olona rehetra izy ity. Manana endrika toy ny lalao famaranana kely izy ity, tsy mbola resy izy roa ireto nandritra ny lalao izay nataony, ary tsy mbola nifandona.
Marihina fa mialohan’ ity lalao ity dia hihaona ny XV Avenirs sy ny XV Makis sokajy U20 B. Eo koa ny fifanandrinan’ny US Ikopa sy ny XV Makis U20A. Ary ny fifandonan’ny Tam Anosibe sy ny SCB Besarety.
Araka ny siosion-dresaka, misy vola ho azon’ny mpandresy, amin’ity fihaonan’ny FTM sy ny Cosfa ity.
Tsiahivina fa izy ireo no tokony hihaona amin’ny lalao famaranan’ny amboaran’ny filoha, izay tsy mbola mandeha ihany hatramin’ izao. Araka ny fanazavan –dRakotomalala Marcel, filohan’ny Rugby malagasy, tsy misy idiran’izy ireo ny tsy fanantanterahana ity lalao ity.
Fitia (Mpianatra asa)