Manodina ny soja ho lasa menaka, mamatsy menaka ny faritra Vakinankaratra iray manontolo ny orinasa Sediem ao Betafo, amin’izao fotoana. Nahazo tohana teknika amin’ ny fambolena sy fitehirizana ary fanatsarana ny vokatra soja izy ireo. Mahavita manodina io vokatra io, 4 hatramin’ny 10 T isan’andro ho lasa menaka ny orinasa. Ankoatra ny famatsiam-bola avy amin’ny ministeran’ny Fambolena sy ny fiompiana tamin’ny alalan’ny tetikasa CASEF, mitetina 22 000 dolara, nisitraka tany mirefy 50 Ha koa ny Sediem. Hambolena vary, katsaka, soja hatramin’ny «tournesole» izany. Noho ny firoboroboan’ny asa, nahatsangana tohadrano lehibe mahavita mamokatra herinaratra 30 Kva ho azy izy ireo. Mahatonga azy ireo mahaleo tena amin’ny angovo izany. Kaoperativa 15 misy tantsaha mpikambana 735 avy amin’ny distrikan’i Betafo no miara-miasa amin’ity orinasa mpamokatra menaka ity. Mahatratra 30 ireo mpiasa amin’ izao fotoana ary manaparitaka ny vokatra ao Vakinankaratra izy ireo.
Tsiferana R.