Mihatra sahady amin’ny faritra maromaro ao atsinanan’ ny Nosy ny filazana fanairana miloko maitso hanomanana ny olona hiatrika ny rivodoza Freddy. Anisan’ny nahazo izany Analanjirofo, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana.
Hahery vaika ity rivodoza mananontanona ity raha ny vinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro. Hanomboka any amin’ny talata na alarobia amin’io herinandro io no heverina hahakasika ny morontsirak’i Madagasikara sahady ny rivotra sy ny orana entiny.
Heverina hiditra an-tanety eo anelanelan’i Sainte Marie sy Mananjary i Freddyary mety hanavatsava ny Nosy avy any atsinanana mianandrefana ka hivoaka any amin’ny lakandranon’i Mozambika.
Omaly maraina, tany amin’ny 2906 km atsinanana somary avaratra atsinanan’i Toamasina no nisy ny foibeny. Mikisaka mianandrefana izy ka mahafaka 24 km/ora. 195 km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 275 km/ora. Tena matanjaka izy any an-dranomasina any.
Hanomboka hikorontana ny toetry ny andro an-dranomasina ny alin’ny alatsinainy 20 febroary 2023 noho ny alon-drano izay haterak’i Freddy. Manara-maso akaiky ny mpamantatra ny toetry ny andro ary manaraka akaiky ny fivoaran’ny vaovao ny rehetra mba tsy ho tapohin-doza.
Marihina fa tsy mbola tafarina akory ny fahavoazana nentin’ilay rivodoza Cheneso dia izao ho avy izao indray ny rivodoza manaraka. Mitaky ny fahamalinan’ny rehetra hiomana amin’ny zavatra rehetra mba hahamaivana ny fahavoazana ara-pitaovana indrindra ny aina.
Tatiana A