Tsy afa-miala !

Mazava ny lalan-kizoran’ny firenena ankehitriny. Tsy maintsy miroso amin’ny fanovana ny fitondrana. Miditra amin’ny fampidirana ekipa vaovao indray, hiara-hanamory ny lamasinina. Fito volana mialoha ny fametrahan’ny filoham-pirenena fialana , filaharam-be ny fanaterana CV na ny antontan-taratasy hifantenana ny hiondrana. Fepetra maromaro no takina amin’izay hifantenana, toy ny fandraisana anjara mavitrika tamin’ny tolona natao ny 2009. Olona manana ekipa any ifotony rehetra any, afaka ny hampandany indray ny filoha. Olona manana ny fahaiza-manaony, manana ny traikefa mifanaraka amin’ny filan’ny politikam-pampandrosoan’ny fanjakana, sns.
Tsy ampy ireo, indrindra ho an’ny praiminisitra, lehiben’ny governemanta. Fepetra iray tsy azo ihodivirana ny fankatoavan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena azy. Na inona na inona fifanarahana anatiny eo amin’ny samy mpanao politika, tsy azo dinganina ny mpiara-miombon’antoka teknika sy ny vola. Manana ny fiandrianam-pirenena sy ny fahaleovan-tenany i Madagasikara saingy manana ny teny lazainy izy ireo. Mitaky olona afaka hiaro ny tombontsoany sy ny fanatanterahana ny politikany izy ireo. Izay rahateo no tombony ho an’Atoa Ntsay Christian. Nitokisan’ny vahiny hatrany, nandritra ny taona maro.
Kandidà efatra mianadahy no voalaza fa loha-lisitra, nahafeno fepetra ho praiminisitra. Nahoraka ny anaran’ny tandapa iray fahiny. Vao nisy anefa ny siosion-dresaka, efa nampiaka-peo ny mpisintona lakolosy. Nanatsikera azy, noho izy anisan’ny tomponandraikitra tokony namaha ny kirizin’ny Covid izay nahabe-resaka ny « kolikoly » sy ny « kitranoantrano », toy ny resaka « écran plat ».
Tena miasa ny « radio trottoir » amin’ny resa-be, hatra­min’ny omaly. Nivoaka tampoka ny anarana jeneraly efa misotro ronono. Nolazaina fa hitantana ny governemanta. Tsy nisy tohiny anefa satria voalaza fa tokony nivoaka, halina ny fanendrena ilay vaovao. Nialoha ny fiaingan’ny Filoham-pirenena hihazo an’i Addis Ababe. Inona no teo ? Miandry hatrany. Na inona ambara, mbola ambany ziogan’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena isika. Mbola lavitry ny afo ny kitay raha hiresaka fahaleovan-tena tena izy izany. Tsy afa-miala !

r.r

Partager sur: