Ny fitiavana nolalaovina tanaty hatsikana… Fa tsy izay ihany no natolotry ry Eric sy Honorat ao amin’ny tarika Fou hehy sy Aldini sy Riri ao amin’ny tarika Etsetra Etsetra, omaly. Maro ireo tsy nampoizin’ny mpijery tonga tao amin’ny CCEsca Antanimena tamin’ny seho natolotr’izy efadahy ireto. Saika hatsikana vaovao ny ankamaroany, na nampanarahina ny vanim-potoana aza. Tsapan’ny mpijery ny ketrika niarahana tao anatiny, satria ankavitsiana ihany no tsy niarahana tao.
“Anisan’ny nahafinaritra ahy indrindra hatramin’izay nikarakarako fampisehoana hatsikana ny nataon-dry zalahy an-tsehatra androany. Nanoratra niaraka ary samy nitondra ny nampiavaka azy izy ireo, ka nitana ny mpijery tanatin’ny tsiky sy tokelaka hatramin’ny farany mihitsy”, hoy ny nambaran’i Luc Hervé, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny LH Production. Tsapa tokoa izay firaisana tsikombakomba nanomboka tany amin’ny fiketrehana ireo hatsikana izany, raha tsy hilaza afa-tsy ny fizarana ny andraikitra eny an-tsehatra fotsiny.
Anisan’ny fotoana nafana indrindra ny nananaovan-dry zalahy ireo olo-malaza toa an-dry Tantandraza, Kohen Rivolala, sns. Rehefa mahakasika politika izany ihany koa ka amin’ny endriny hatsikana, tena ankafizin’ny maro… Miandry ny seho manaraka ireo tena tia miala voly.
Zo ny Aina