“Ny fifidianana filohan’ny Repoblika hatao amin’ny 9 novambra ny fihodinana voalohany ary amin’ny 20 desambra ny fihodinana faharoa, heverinay fa tokony hanokanana vola 140 miliara Ar any ho any”, hoy ny filoha lefitra voalohan’ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina, momba ny vola enti-manana ny fifidianana filohan’ny Repoblika fihodinana voalohany sy faharoa.
Heverin’ny Ceni fa misy ampahany horaisin’ny fanjakana malagasy amin’izay vinavinan-tetibola izay. Raha ny faniriany, tokony horaisintsika Malagasy an-tanana avokoa izy manontolo. Saingy misy ny fandaminana ny fitondran-draharaha eto amin’ ny firenena. Manana ny fomba fijeriny ny mpitondra ny amin’izay vola natokana ho an’ny Ceni. Izay tsy raisin’ny fitondram-panjakana, tsy maintsy itadiavana mpiara-miombon’antoka hifanampy sy hifanohana.
Miankina amin’io fifidianana io ny hoavy amin’ny dimy taona manaraka, raha tsy amim-pahamatorana ny fanaovana azy. Samy mety mitady an’izay tetibola izay na ny fitondram-panjakana na ny Ceni. Na mety miara-mitady ny roa tonta. Tsy maintsy ifarimbonana izay. Aoka tsy hohadinoina fa raharaha iombonana ny fifidianana, fa tsy hoe an’ny Ceni irery, na an’ny mpifidy irery, na an’ny mpirotsa-kofidina irery….
Tsy vola omena ny Ceni ny hoe tetibola. Raha misy ny fanampiana fitaovana, efa tafiditra ao anatin’ny fikajina ny tetibola izay. Izay no fitantanana ao anatin’ny fangaraharana. Raha misy manome taratasy na solika, ohatra, sandaina izay, ary alana amn’ny tetibola. Izay no maha fitantanana ny fitantanana, tsy maintsy atao mazava sy mangarahara.
R. Nd.