“Teo lalandava ny antoko Vonjy iray tsy mivaky hatramin’izay”, hoy ny filoha nasionalin’ny Vitm, Razanabahiny Christian, ny amin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny antoko tarihiny.
Manao ny fanaovazana ny fanehoam-pisiana isan-taona eny anivon’ny minisiteran’ny Atitany ny antoko, ary mpikamban’ny International socialiste (IS). Tamin’ny taona 1973 no niorenany, nifandraika tamin’ny raharaha 1972-1973.
Hisy hetsika fankalazana hatao manerana an’i Madagasikara amin’izany. Tsy maintsy hatao ny fitetezam-paritra, hametrahana ny birao politikam-paritra. Hifarana amin’ ny kongresy nasionaly hatao aty amin’ny renivohitra izany. Elanelam-panahy ny Vitm, araka ny nambarany, fa mikatsaka sy mivoy mandrakariva ny fihavanam-pirenena.
Mifanandrify amin’ny faha-20 taona nahafatesan’ny filoha mpanorina, ny Dr Razanabahiny Marojama Jérôme, izao faha-50 taon’ny antoko izao. Vonona hiatrika ny raharaham-pirenena ny antoko manomboka izao, indrindra eo amin’ny sehatry ny fifidianana. Tsiahivina fa anisan’ny kandidà ho filohan’ny Repoblika, taona 1989, ny filoha mpanorina ny antoko.
R. Nd.