Atleta miofana any Chine : hanomboka avy hatrany ny fiofanana

Efa any an-toerana avokoa amin’izao fotoana izao ny delegasiona malagasy hiatrika fiofanana any Chine. Hanomboka anio ny kotrana ho an’ireo atleta 51 mianadahy.

Nisy ny fitsenana sy fandraisana ireo atleta malagasy handranto fiofanana sy hanoman-tena ho amin’ny lalaon’ny Nosy, nataon’ny solontenam-panjakana Sinoa. Raha ny vaovao voaray, salama tsara daholo ny atleta sy ireo miaraka aminy. Araka ny fandaharam-potoana, anio no hijery ny fotodrafitrasa sy kianja hanaovana ny fanazarantena izy ireo, ka aorian’izany dia azo antoka fa hanomboka avy hatrany ny fampiofanana. Tsiahivina, haharitra efa-bolana ny faharetan’ny fijanonan’ny delegasiona any an-toerana ka ny Fitondram-panjakana Sinoa no miantoka sy mandray an-tanana tanteraka azy ireo mandritra izany. Ankoatra izay, mbola hahazo fampitaovana koa izy ireo amin’ny fiafaran’ny fampiofanana. Tombony lehibe ho an’ireto atleta ireto izao, ka antenaina hitondra soa sy fahombiazana, amin’ireo seha-pifaninanana iraisam-pirenena miandry atsy ho atsy.
Nambaran’ny Tale jeneralin’ny Fanatanjahantena, nandritra ny fitsofan-drano ny delegasiona teny Ivato mi­aloha ny niaingany, fa tsy fanomanana ny lalaon’ny Nosy ihany izy ity fa hiatrehana ireo fifaninanana maneran-tany, izay handraisantsika anjara. Maro tokoa moa ireo fandaharam-potoana miandry an’i Mada­gasikara amin’ity taona ity, ka antenaina fa hitondra hery sy fahombiazana ho azy ireny izany. Taranja 4 (atletisma, badminton, fibatana fonjamby ary Tenisy ambony latabatra), ny misitraka izao fampiofanana hatao any Chine izao. Efa nisy ny fandefasana atleta toy izao ihany koa ny taona 2019,
nialohan’ny niatrehana ny lalaon’ny Nosy natao tany Maorisy ary nahazoana vokatra tsara.

Mi.Raz

Partager sur: