Lehilahy iray no notafihan’andian-jiolahy tao an-tranony tao amin’ny fokontany Ankalalobe- Bevitsika, distrika Belo Tsiribihina. Ny zoma teo tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina, niditra an-keriny tao amin’ity lehilahy ity ireo olon-dratsy. Voaroba tamin’izay ny vola mitentina 500.000Ar avy eo nanapoaka basy izy ireo. Maty tamin’izay ity lehilahy ity raha nitsoaka nandositra kosa ireo malaso. Raikitra ny fanarahan-dia. Latsaka teny an-dalana ny basin’ireo malaso, hoy ny loharanom-baovao iray. Mbola anatin’ny fitadiavana ireo nahavanon-doza ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Hatreto tsy mbola voafaritra mazava ny antony nahatonga ny loza. Tsy fantatra ihany koa na lonilony na valifaty no nitarika ity vono olona ity.
Henintsoa H.