Fotoana fandinihan-tena sy teny izao

21 febroary. Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny rahampitso. Ho an’izay mahalala, tsaroana hatrany ny fano­loran-tenan’ny mpianatra dimy tao Dacca tamin’ny 21 febroary 1952. Namoy ny aina ho an’ny tenin-dreny? Mba ho teny ofisialy ny teny Bangla, fa tsy ho tenim-pirenena faharoa. Izay no niavian’i Bangladesh ho renivohitr’i Pakistan, taorian’ny adim-panafahana. Izay koa no nahatonga ny 21 febroary ho Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny, nanomboka ny taona 1999, araka ny fanapahan-kevitry ny Unesco.
Amin’izao fotoana izao, ho fampiroboroboana ny fahasami­hafan’ny teny no anisan’ny anton’ny fankalazana ny 21 febroary isan-taona. Eo koa ny amin’ny kolontsaina, ny fahamaroan’ny teny… Misy ny miady fo aman’aina ho an’izany: saro-piaro amin’ny teniny, ny kolontsainy, ny maha izy azy. Aiza ho aiza isika Malagasy amin’izany? Kibo mitsara tena ny tsirairay: ny atao no hita; ny soa, mahatarika. Tsy ahoana na tsy mampiraika, ohatra, ny tsy fahaizana na fahadisoana amin’ny fampiasana teny malagasy?
Tsy maharary ny aina toy ny an’ny hafa izany, tsy ma­hamenatra… Ho an’ny sasany, heverina ho mampiavaka ny tena sy fiamboniana na voninahitra aza, sanatria, ny tsy fahaizana tenin’ny tena: isehoana hoe mahita fianarana, tsy mitankosina amin’ny maro. Heverina ho hay ho azy amin’izao ny tenin-dreny ka tsy mampiraika, tsy ianarana… Manampy trotraka ny fam­piasana haitao isan-karazany ankehitriny. Tsy mampisy dika sy lanja ny teny, fa izay lazaina no hoe zava-dehibe. Fahalainana no antony, fahamehana, tsy fahaizana…
Mizotra mankaiza ny teny malagasy amin’izao fotoana izao? Efa tsy teny enti-mampianatra, ohatra, tsy mampiraika na tsy mahamenatra ny fahadisoana amin’ny fampiasana azy… Ho tonga hatraiza? Samy manao izay saim-pantany amin’izao? Sanatria, mby amin’ny hoe ny hadalan’ny maro no atao ho fa­hendrena, na ny fahadisoan’ny betsaka no heverina ho marina… Misy tonga amin’ny hoe tsy misy teny malagasy hilazana an’itsy na iroa, ka aleo tsy ampiasaina. Vao mainka tsy ho azo mandra-pahoviana fa tsy ampiasaina…
Fotoana fandinihan-tena izao andro fankalazana ny tenin-dreny izao, tsy avela handalo fotsiny na fombafomba sy fahazarana. Sao ny tsy fampiasana araka ny tokony ho izy ny tenin’ny tena àry no anisan’ny mahamafy sy mahasarotra ary mahaela ny fampandrosoana?

R. Nd.

Partager sur: