Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma), zokiny indrindra eo amin’ny fikajiana sy fikoloana ary fampivelarana ny kabary malagasy. Niavaka noho ny hita hatramin’izay ny zava-nisy nandritra ny fanokafana ny faha-60 taonan’ity fikambanana ity.
Notontosaina tetsy amin’ny Araben’ny Fahaleovantena Analakely sy teo anoloana ary tao anatin’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ny asabotsy teo, ny fotoam-panokafana ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi. Ma). Tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoana ny fampitana fanilo. Fampirantina, fampahafantarana ny tantaran’ny teny malagasy, fanandratana ny teny malagasy amin’ny alalan’ny tontolo ivelaran’ny kabary. Seho kanto samihafa (hira, dihy, fitendrena zavamaneno…), nahitana ny Valiha Academie, ny Kolotalenta, ny Hanitra nentin-drazana…
Anisan’ny nampiavaka ity lanonam-panokafana izay nambaran-dRavaomalala Andriamboavonjy Hanitriniaina, filohan’ny foibe Fi. Mpi.Ma maneran-tany ity, ny fankasitrahana ireo mpikambana nahavita be ao amin’ny fikambanana tamin’ny alalan’ny « Valimbabena ». Raha nijanona teo amin’ny « Voarabe », (mpikambana nandritra ny 20 taona) ihany hatramin’izay ny fankasitrahana, nanomboka, ny asabotsy teo, nisy ny sokajy « Hazomena » (30 taona naha mpikambana), ny « Manjakabenitany » 40 taona naha mpikambana ary ny « Andrarezina » 50 taona tao anaty Fi.Mpi.Ma.
Notohizina tamin’ny « Takarivam-pialamboly » teny amin’ny Sakay Rouge, Avarabohitra Itaosy, ny hetsika. Fotoana nanasongadinana ny fifamatoran’ny kabary sy ny fizahantany. Nisy ny kabary natao tamin’ny fitenim-paritra efatra izay nohazavain’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany tamin’ny alalan’ny tenim-pirenena 5.
Fantatra fa ny « Loabary an-dasy momba ny kabary sy ny tontolo manodidina azy » no hanamarihana ny ivon’ny fankalazana ny faha-60 taona. Ny 3 jona kosa no hisantaran’ny Fi.Mpi.Ma ny fanamarihana ny Iray volan’ny teny malagasy ka hanatanterahan-dry zareo ny « Sahobin’ny mpikabary ». Hitohy hatrany kosa ireo hetsika fanaon’ny Fi.Mpi. Ma hatramin’izay. Anisan’ire ny ny « Takalo dinika amorom-patana » sy ny « I-Zara Fahendrena ».
HaRy Razafindrakoto