Mihatra ny loza manambana: hiditra an-tanety rahampitso i Freddy

Rivodoza anisan’ny mahery vaika i Freddy. Hiditra an-tanety rahampitso alina izy, raha ny tombatomban’ny mpamantatra ny toetry ny andro.

Raha ny filazan’ny mpamantatra ny toetry ny andro, omaly tamin’ny 3 ora hariva, tany amin’ny 1639 Km atsinanan’i Toama­sina no nisy ny foiben’ilay rivodoza Freddy. Mbola tena mahery vaika izy any an-dranomasina any. Mikisaka mianatsimo somary atsimo andrefana ny diany ka mahafaka 26 Km/ora
Masiaka fiavy izy satria mahatratra 220 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 310 km/ora manakaiky ny foibeny.
Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan’i Vato­mandry sy Manakara izy ra­hampitso alina ka vinavinaina ho 175 Km/ora ny rivotra hiaraka aminy sy tafiotra 245 Km/ora amin’izay fotoana izay. Tena matanjaka ary mila miomana amin’izany ny mponina any an-toerana mba hialana amin’ny loza mihoapampana.
Mitondra ora-mikija betsaka ary hahatratra miohatra ny 180 mm ny rotsak’orana mandritra ny fandalovany. Hahery be na hisamboaravoara ny ranomasina ka hahatratra 10 metatra ny haavon’ny onja. Ahina mafy ny fiakaran’ny ranomasina, indrindra manamorona ny faritra hidirany an-tanety.
Mila mandray fepetra avy hatrany ireo mipetraka manamorona ny ranomasina satria mety ho safo-drano ao anatin’ny fotoana fohy ny morontsiraka vokatry ny rivotra mi­fofo.
Mampihatra avy hatrany ny filazana loza manambana miloko mavo ho an’ny faritra Atsinanana, Vatovavy, Fitovi­nany. Ampiharina avy hatrany ny fepetra rehetra mahakasika izany.
Mihatra ny filazana fanairana miloko maitso ho an’ Analanjirofo, Atsimo Atsina­nana, Analamanga, Itasy, Va­ki­nankaratra, Amoron’i Ma­nia, Matsiatra Ambony, Iho­rombe, Menabe, ny distrikan’i Moramanga, Anosibe An’ala, Beroroha, Ankazoa­bo, Saka­raha, Morombe ary Toliara I-II.
Ny mpampiasa ranomasina manomboka any Sambava ka hatrany Cap Ste Marie dia tsy tokony hiandriaka intsony manomboka anio alina satria hiharatsy ny toetry ny andro noho ny alondrano izay haterak’i Freddy.

Miandry sy mitebiteby

Ao anatin’ny tahotra sy tebitebin-tsaina no iandrasan’ny rehetra ity rivodoza Freddy ity izay tsy azo ihodivirana raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro. Heverina handripaka fotodrafitrasa maro izy raha ny tanjany. Tsy mbola tafarina akory anefa ny fahavoazana nateraky ny rivo­doza farany teo dia izao hotafihan’ny rivodoza mahery vaikabe izao indray ny firenena. Lafin-javatra maro no voakasiky ny fahapotehana aorian’ny rivodoza ary anisan’izany ny fampianarana izay lasa mitarazoka tanteraka.

Tatiana A

Partager sur: