Nanafika ben’ny Tanàna: jiolahy raindahiny maty voatifitra

Anisan’ny nanafika ny ben’ny Tanàna tao Ankirihitra, lavon’ny zandary ny jiolahy ikoizana amin’ny fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ankijabe, distrikan’Ambato Boeny, ny alakamisy teo. Na­nao fisafoana nandritra ny alin’io andro io ny fokonolona sy ny zandary. Voasambotra nandritra izany ity olon-dratsy ity. Nentin’ny manam-pahefana hihazo ny biraon’ny zandary izy. Nandositra anefa ity farany ka raikitra ny fifampitifirana. Vokany, maty voatifitra ity dahalo ity. Mitohy ny hazalambo ataon’ny mpitandro filaminana ireo namany.

Tsiferana R.

Partager sur: