Orange Pro League: resin’ny Fosa ny Uscafoot

Notanterahina ny asabotsy sy ny omaly alahady teo ny andro fahenina ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League” (OPL), taona 2023, ho an’ireo kaonferansy avaratra sy atsimo. Anisan’ny lalao tena nanamarika ny andro fa­henina ny fihaonan’ny Usca­foot Ana­la­manga sy ny Fosa Junior FC Boeny ho an’ny vondrona avaratra, lavo tamin’ny isa tery 1 no ho 0 ny Usca­foot. Lalao izay natao tao amin’ny kianjan’ Alarobia, omaly alahady.
Niady tanteraka ny lalao, saingy nanam-bintana ny Fosa Junior FC, rehefa namono tena i Lalane, teo amin’ny minitra faha-70. Maro ireo baolina tokony ho tafiditry ny Uscafoot saingy tsy tao amin’izy ireo ny vintana amin’ny famonoam-baolina.
Somary sarotra ho an-dRy Dax, mpilalao Fosa Jr ny lalao, noho ny haratsian’ny kianja, ka tsy hita loatra ilay traikefan’izy ireo. Araka izany, mitarika ao amin’ny kaonferansy avaratra ny Fosa Jr manana isa 18, raha toa ka ny Cosfa Analamanga ny faharoa manana isa 11, ary fahatelo kosa ny Uscafoot manana isa sivy.
Marihina fa, tsy mbola resy mihitsy ny Fosa Junior Boeny tamin’ity fifaninanana OPL 2023 ity.

Fitia (Mpianatra asa)

Kaonferansy avaratra :
Fosa Jr (1) vs (0) Uscafoot
Ajesaia (2) vs (2) Tia kitra Fc
Cosfa (1) vs (0) As Fanala­manga
TFFC (4) vs (3) Asa Diana
Kaonferansy atsimo :
Disciples Fc (2) vs (0) Jet Kintana
Zanakala Fc (2) vs (2) CFFA
Dato Fc (2) vs (3) 3FB Toliara
Elgeco Plus (1) vs (1) Mama Fc

Partager sur: