“Tagnamaro” : nodiovina ny Rovan’Ilafy

Sabotsy fahatelon’ny volana, fanaovana ny “Tagna­maro” manerana ny Nosy. Ni­safidy ny Rovan’Ilafy ny mi­nisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera foibe, nanatontosana izany ny asabotsy teo. Fana­diovana ny tokontany malalaka, fanamboarana ny zaridaina ary fanalana ireo kirihitra manodidina no marimarina kokoa nitondrana “Tagna­maro” teny amin’ity vakoka manan-tantara ity. Tafiditra anatin’ny fikolokoloana ny vakoka ny asa fanadiovana natao rehetra ivelan’ny Rova. Fiaraha-mientana izay nanome endrika vaovao ity harem-bakoka mitahiry tantara ity izany.
Tsiahivina fa etsy amin’ny 10 kilaometatra monja miala an”Antananarivo no misy ny Rovan’Ilafy, ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Lapa nataon’ny Mpanjaka Radama II ho fialan-tsasatra sy toeram-ponenany faharoa izy ity. Efa voasokajy ho vako-pirenena, ary azo tsidihin’ny besinimaro ny Rovan’Ilafy. Ankoatry ny tantarany, misy karazam-pitaovana maro haranty amin’ny maha vakoka azy ihany koa ao.

Zo ny Aina

Partager sur: