Taksiborosy tapaka hisatra: nifatratra tamin’ny kamiao, maty ny mpamily

Ankoatra ireo olona sivy naratra, namoy ny ainy teny amin’ny hopitaly ny mpamily ilay taksiborosy nifatratra tamin’ny kamiao tao Ranomafana, ny asabotsy teo.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona indray tao Tsararano, fokontany Amba­la­mahasoa, kaominina Rano­mafana, distrikan’Ifanadina, Faritra Vatovavy. Taskiborosy mampitohy ny renivohitra sy Manakara no tra-doza teo an-toerana ny asabotsy teo tokony ho tamin’ny 04 ota tolakandro. Tapaka hisatra ny fiara ka nifatratra tamina kamiaobe iray teo alohany. Vokany, tery tao ny mpamily ka naratra mafy. Ankoatra azy, mpandeha sivy hafa tao ana­tin’ny fiara koa naratra ka nalefa vonjimaika teny amin’ny hopitaly ao an-toerana. “Tapaka hisatra avy any ambony any io fiara io. Teo alohany, nisy fiarabe nandeha mora ka nifatratra tamin’izany izy ka teo vao tafajanona”, hoy ny fanazavan’ny zandary mpanao famotorana. Mafy ny dona, pempo tanteraka ny lohan’ilay taksiborosy.

Nifamonjena

Nananosarotra ny namoaka ilay mpamily naratra mafy. Nifamonjena kosa ireo namany sivy hafa ary nalefa vonjimaika eny amin’ny hopi­talin’Ifanadina. Teny an-dalana mbola afaka nanazava ny antony nahatonga ilay loza ity raim-pianakaviana, 45 taona mpamilin’ny fiara ity. Nony tonga teny amin’ny hopitaly, tsy tana intsony ny ainy na dia nanao izay hoafany aza ireo mpitsabo nandray azy. An­kehitriny, mbola mitsabo tena avokoa ireo tra-doza ary nafindra ao amin’ny hopita­lin’i Fianaratsoa. Tsy misy ahiana kosa ny ain’izy rehetra. Fantatra kosa fa olona efatra isa no tsy naninona ta­min’ity loza ity. Manoloana izany, nilaza ny zandary fa tokony hajaina ny lalàn’ny fifamoivoizana hisorohana ny loza toy izao. “Matetika hitrangana lozam-pifamoivoizana toy izao aty an-toerana. Mazàna mitondra entana mavesatra ireo taksiborosy ka tapaka hisatra. Ao koa ireo mandeha mafy ka sendran’ny tampoka”, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Ankoatra ity, nitrangana lozam-pifamoivoizana ihany koa tao Manakara ny an­dron’io ihany. Taksiborosy tsy nitondra olona no nifaoka “cyclo-posy”. Vokany, naratra ilay mpitondra cyclo-posy ka nalefa eny amin’ny hopitalibe Manakara. Tazomina eny amin’ny biraon’ny zandary sy atao famotorana kosa ilay mpamily.

Henintsoa Hani

Partager sur: