Toy izao indray ny tatitra mikasika ny vokatry ny fitiliana ny valan’aretina Covid-19 tao anatin’ny herinandro, ny 11 hatramin’ny 17 febroary lasa teo. Miisa telo ireo tranga vaovao eto amin’ny faritr’Analamanga, raha ny tatitra omaly. Fantatra fa miaina ao anatin’ny trangana fahasarotana ny olona iray amin’
izy ireo. Efa manaraka fitsaboana izy io amin’izao fotoana izao. Marihina fa tsy misy ny olona namoy ny ainy nandritra izany, raha ny tatitra voaray hatrany.
Nanomboka ny taona 2019 no mankaty, mahatratra 67 852 ireo fantatra fa nitondra ny valan’aretina covid-19. Fantatra tamin’ny fitiliana ra ny 67 163 tamin’izy ireo. Raha toa ka tamin’ny alalan’ny “scan” andiany faharoa kosa ny 689 tamin’izany. Mahatratra hatramin’ny 66 427 ireo efa sitrana, raha ny tatitra voaray hatrany. Manodidina ny 1421 ireo namoy ny ainy tao anatin’izay fotoana izay. Marihina fa maherin’ny 525 141 ny fitambaran’ny fitiliana vita hatramin’izao. Somary nahitam-pihenana io tranga io tamin’ity volana ity. “Entanina hatrany ny rehetra hanaja ny fepetra sy hanao ny aro vava orona”, hoy ny mpitsabo tsy miankina iray nanontaniana. Mba hisorohana ny ho fiparitahan’ny aretina indray.
Mino (mpianatra asa)