Tomira Toliara: mpilatsaka an-tsitrapo 200 nanadio lakandrano tany Toliara

Mandray andraikitra amin’ny fanatsarana ny tanànan’i Toliara ny fikambanana Tomira. Nanao asa tanamaro nanadiovana lakandrano izy ireo, notohanan’ny orinasa Base Toliara.

Manana tanjona hanatsarana ny tanànan’i Toliara ny kaominina an-dRenivohitra Toliara. Ankoatra ny fidiram-bolany manokana, misy koa ny fiarahana miombon’antoka amin’ny mpisehatra samihafa, ahazoany fitaovana. Nilaza ny ben’ny Tanàna, Vita Dédé Sidison, fa «nisitraka tombontsoa samihafa ny kaominina, toy ny fiarabe vaovao miisa roa avy amin’ny Base Toliara, na tsy mbola miasa mitrandraka aza ity orinasa ity. Ankoatra ny Base Toliara, tsy hitako izay orinasa hafa nanao ezaka toy izao nataony izao».
Eo amin’ny lafiny sosialy, maro ny tohana nataon’ny Base ho an’ny mponina any an-toerana. Ho an’ny toekarena, nomarihin’ny ben’ny Ta­nàna ny fandefasana tanora niofana tany Kenya, tamin’ny sehatra maro. «Efa tany amin’ ity firenena ity rahateo aho, ary tsoriko fa diso tanteraka ny vaovao milaza fa misy aretina ateraky ny fitrandrahana fasimainty. Nanome lakana ho an’ny mpanjono any Mahava­tsy sy Anketraky ihany koa ity orinasa ity. Nanolotra fanampiana toy ny vary ho an’ny fokontany eto Toliara, nandritra ny fotoana nandalovan’ny rivodoza», hoy ihany izy.

Sarotra ny fivarinan’ny rano
Ankoatra ireo, nanohana ny fikambanana Tomira (Toliara miharo raike) ny orinasa Base Toliara amin’ny lafiny fikojakojana ny fotodrafitrasa any Toliara. Nanao asa tanamaro Himo ny fikambanana ny 1 febroary 2023, nanadio ny lakandrano any an-toerana. Miisa 150 ny mpilatsaka an-tsitrampo nanao ny asa tany amin’ny seranan’i Toliara ary 50 hafa tany Besakoa. Marihina fa ambany miohatra amin’ny haavon’ny ranomasina ny tanànan’i Toliara, Izany no mahatonga ny hasarotan’ny fivarinan’ny rano mankany an-dranomasina, indrindra ny asa fikojakojana natao tany amin’ny seranan-tsambo.
Nilaza ny sekretera jeneralin’ny Tomira, Sambalahy Pamphile, fa misehatra amin’ny asa sosialy ny fikambanana, hita any amin’ny fokontany 41 ao Toliara ary ahitana mpikambana miisa 3.000. «Manampy any amin’ny hopitaly izahay, ny traboina, mizara koveta ny mponina amoron-driaka. Eo koa ny lafiny fanatanjahantena, manao asa tanamaro Himo, toy izao asa fanadiovana lakandrano, notohanan’ny Base Toliara izao», hoy ihany izy.

Mitaky ny hanokafana ny orinasa vaventy
Maro ny orinasa vaventy nitsangana tany Toliara. Ni­katona avokoa izy ireny ka tavela tsy voatrandraka intsony ny harena voajanahary. Noho ny tsy fisian’ny asa, nirona any amin’ny varotra madinika eny amoron-dalana ny mponina, izay tena mameno ny tanàna. Manampy ny Base Toliara, mitaky ny hanokafana indray azy ireny ny mponina, toy ny Sumatex sy ny Hasyma, ny ozinina ma­mokatra simenitra, ny tetikasa Sakoa ary ny gazy any Ma­haboboka. Tsiahivina fa mpamokatra hasy ny any Atsimo Andrefana ary manomboka miroborobo koa ny fambolena fary.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: