Antsohihy: dahalo mpanakan-dalana lavo

Maty voatifitry ny zandary avy ao Antsohihy nandritra ny fifanjevoana ny jiolahy roa lahy mpanakan-dalana. Nanao fisafoana teo anelanelan’ny kaominina Anahidrano sy ny kaominina Befotaka avaratra, distrikan’Analalava, lalam-pirenena fahaenina ny mpitandro filaminana ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo. Tojo sakan-dalana anefa ny zandary tsy lavitra an’Antana­mbao avaratra sy Antsaribao. Nijanona izy ireo ka nidina ny fiara. Nandritra izay, nipoitra tampoka ireo dahalo nitora-bato sady nitifitra ny fiara. Vaky tamin’izany ny fitaratra teo aloha ny fiara. Manoloana izay, namaly tifitra ny mpitandro filaminana ka vaky nandositra izy roa lahy. Nitohy ny fifanjevoana ka lavo ireto mpanakan-dalana. Tsiahivina fa nisy tranga toy izao koa ny alin’ny 14 febroary teo. Tafaporitsaka ny sasany raha maty voatifitra kosa ny iray. Marihina fa tsy misy monina amin’ireo toerana fanaovany asa ratsy ireto jiolahy lavo ireto. Fantatra ny mombamomba azy ireo. Monina ao amin’ny fokontany Ambodo­mikitra, kaominina Anjiaman­girana, distrikan’ Antsohihy i Lakôty, 32 taona ny lehilahy. Monina ao amin’ny fokontany sy kaominina Ambarijeby atsimo, distrika Analalava kosa i Talahy, 25 taona.

Henintsoa Hani

Partager sur: