Fondation H: miezaka mampiroborobo ny kolontsaina

Tanjona napetraka, tany am-piforonany ny hampiroborobo sy hiantsoroka ny kolontsaina, ho an’ity ivontoerana ity. Misokatra ho azy ireo sy ny mpankafy haikanto ny toerana vaovao, nampifanarahana amin’ny filan’ny mpahay kanto.

Notanterahina ny 20 fe­broary 2023, teny amin’ny Radisson Blu An­tananarivo, ny fampahafantarana ny toerana vaovao hisy ny Fondation H. Nam­pa­ha­fantarina nandritra izany iha­ny koa ny fandaharam-potoanan’ity ivontoeran’ny konlotsaina ity, sy ny mpanakanto hanao izany. “Efa hatrany am-pamoronana azy ny Fondation H no niantsoroka sy niezaka nampiroborobo ny kolontsaina sy ny mpahay kanto, indrindra ny haikanto ankehitriny. Mbola hitohy, ary vao mainka hitombo izany noho ny fisian’izao toerana lehibe sady manana ny maha izy azy izao”, hoy Raininoro Hobisoa, tomponandraikitry ny fandaharana ao amin’ny Fondation H.
Miezaka hatrany ny Fondation H mampiroborobo ny lafiny kolontsaina, sy mampandroso ny mpahay kanto amin’ny matihanina kokoa. Hisy ny foto-drafitr’asa natao ho an’ny mpisehatra eo amin’ny hay kanto rehetra, indrindra ny haikanto ankehitriny. Fotodrafitrasa vaovao mirefy 2200 metatra toradroa miorina eto an-drenivohitra . Trano nisy ny paositra tamin’ny andron’ny fanjanahantany ity nohavaozina ity. Nota­zonina hatrany ny endriky ny trano saingy nisy ny fiarahana niasa tamin’ny mpahay taotrano ahafahana mahazo fotodrafotrasa ahafahana miantsoroka ny lafiny kolontsaina. Ahitana toerana ahafahana manao fampirantiana mirefy 900 metatra toradroa, mifanao ambony ambany, toerana ahafahan’ny mpahay kanto miasa sy monina, tranomboky voatokana ho an’ny haikanto ankehitriny, toerana natao ho an’ny ankizy, toerana handraisana vahiny sy hisakafoana ary zaridaina. Ireo no hita eny amin’ity ivontoerana vaovaon’ny Fondation H ity. Hisokatra ho an’ny olon-drehetra ny 28 avrily 2023 ity toerana ity ary maimaim-poana avokoa.
Hanomboka handray hetsika kolontsaina maro ny ivontoerana manomboka eto. Hisantarana izany, hisy ny fampirantina hahatsiarovana manokana an-dRazakaritrimo Zoarinivo, mpahay kanto malagasy, nahazo ny “Prix Paritana 2020”. Mandritra ity fampirantina ity no hampisehoana ny talenta sy ny zava-bitan’i Madame Zo. Ity mpahay kanto ity izay efa nodimandry ny taona 2020. Maro ny mpanakanto vahiny ho avy hampiranty ny kantony ao amin’ity toerana ity.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: