21 febroary, andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny. Hisy hetsika marolafy hanamarihana izany, anio sy rahampitso. Hanokatra azy ny tafa iarahana amin’ireo mpanoratra dimy mianadahy, etsy amin’ny Mozaïk Antsahabe, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Hanodidina ny lohahevitra “Ny fanoratana boky ho an’ny ankizy amin’ny teny malagasy” ny resadresaka hotarihin’i Hobiana Andrianimerina, Arikaomsa Randria, Rakotoanosy Marie Michèle, Ranaivoarilala Valisoa Rakotolehibe ary Razanadriaka Lalao Elina.
Amin’io fotoana io ihany koa no hampahafantaran’i Hobiana Andrianimerina ny andiany faharoa amin’ilay boky “Ohabolana: kolosaina ho an’ny ankizy”. I Roddy no nanao ny sary ary ny Editions Jeunes Malgaches kosa no namokatra izany. Mifanandrify tsara ny fotoana, satria any amin’ny ankizy no miainga izay fampitiavana ny tenindreny izay. Boky ahitana pejy 40, mirakitra ohabolana nosafidiana manokana ho mora azon’ireo ankizy izany.
Mbola tafa sy dinika ihany koa no hoentin’i Tsiloko Mahadigny sy Ranoe rahampitso amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy. Manan-kozaraina raha ireto mpampianatra sady mpanoratra ireto, indrindra amin’ny fampitiavana ny teny malagasy.
Fiantsana tononkalo, hanome vahana ny fitenim-paritra kosa no omanin’ny Havatsa Upem, izay hotontosaina eny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo, rahampitso. Hanaingo izany eny antsefany eny ny mozikan’ny Tafasiry Kolokanto.
Ankoatra ireo eto Antananarivo, hisy fanamarihana ihany koa omanin’ireo mpisehatra amin’ny literatiora, any amin’ny faritra rehetra.
Zo ny Aina