Lalana Moramanga-Ambatondrazaka: hotokanana amin’ity taona ity ny RN 44

Ho vita godirao tanteraka ny lalam-pirenena RN 44, mampitohy an’i Moramanga hatrany Ambatondrazaka. Etsy ankilany, mihapotika ny lalam-pirenena RNT 3A, eo Vohidiala mankany amin’ny tapany andrefan’ny farihin’Alaotra mipaka any Vohitraivo, sampanana mihazo an’Andilamena.

Mamatsy vola ny fanamboarana ny lalam-pirenena RN 44 ny Banky iraisam-pirenena. Nanomboka ny taona 2019 ny asa, hanaovana godirao manontolo ny lalana, ataon’ny orinasa sinoa CRBC. Niainga teo Marovoay, satria efa nataon’ny fiaraha-miasa japoney godirao ny eo Mora­manga-Marovoay, mirefy
20 km.
Mirefy 42 km ny ampa­hany voalohany Marovoay-Amboasary, efa vita godirao tanteraka. Andalam-pahavi­tana ny dingana faharoa, manomboka eo Amboasary PK 61+500 hatrany Vohidiala PK 133, mirefy 71 km. Raha akambana, mirefy 113 km ny lalana atao, izany hoe 133 km raha ampiana ny 20 km ny eo Moramanga-Marovoay. Mi­totaly 158 km raha hatrany Ambatondrazaka, satria mirefy 25 km ny manelanelana azy amin’ny any Vohidiala. Nilaza ny filoha Rajoelina, nandritra ny diany tany Morarano Chrome, distrika Amparafaravola, ny alakamisy 16 febroary 2023 teo, fa hotokanana tsy ho ela ity lalampirenena RN 44 ity.

Potika ny RNT 3A

Etsy ankilany, mihapotika ny lalam-pirenena RNT 3A, mirefy 104 km, miainga eo Vohidiala hatrany Vohitraivo, sampanana mankany amin’ny distrika Andilamena. Izany hoe, ny tapany andrefana, mandalo an’Amparafaravola, Tanambe hatrany Vohitraivo. Araka ny hita ao amin’ny famoaham-baovaon’ny minisiteran’ny Asa vaventy, nisy ny antso tolo-bidy ny volana febroary sy marsa 2022, ho an’ny orinasa liana hanao izany asa izany. Tsy tanteraka anefa izany raha jerena ny haratsian’ity RNT 3A ity ankehitriny, herintaona aty aoriana. Efa vita tamin’ny taona 2019-2020 ny tetezana eo « Manaingazipo ». Nana­mafy indray ny filoham-pirenena tany Morarano Chrome, fa hamboarina ny faritra tena ratsy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: