« Ligue des champions 2023 » : Hanala vela amin’ny Real Madrid ny Liverpool

Hotanterahina anio sy rahampitso ny lalao mandroso faharoa ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Ligue des champions 2023 » (LDC) taranja baolina kitra. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Real Madrid Fc, klioba espaniola sy ny Liver­pool Fc, klioba anglisy. Dona hotanterahina ao amin’ny kianjan’i Anfield Angletera, anio talata 21 febroary.
Hanala vela ny klioba anglisy amin’ity fihaonana ity. Tsiahivina fa lavon’ny Real Madrid tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 ny Liverpool teo amin’ny lalao famaranana LDC, taona 2022. Fihaonana natao tao amin’ny Stade de France, ny 28 Mey 2022. Baolina tafiditr’i Vinicus, teratany Brezilianina, mpilalaon’i Real Madrid teo amin’ny minitra faha-59, io no naharava ny nofinofin’ny Liverpool.
“Hiezaka ny hanome ny tsara avy aty amiko ny tenako.” hoy i Vinicus Jr. “Hanova tanteraka ny tantara izahay. Nangidy taminay ny faharesena tamin’ny herin-taona ary hiezaka ny handresy azy ireo izahay.” hoy i Mohamed Salah, lohalaharan’ny Liverpool Fc.
Marihina fa tsy anisan’ireo hilalao amin’io fihaonana io i Toni Kroos sy i Tchou­ameni, mpilalao Real Madrid. Tsiahivina fa anisan’ny herin’ny Real amin’ny resaka fanafihana izy mirahalahy ireo. Araka ny vaovao voaray, maratra izy mirahalahy.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: