MFM : “Aoka mba ho governemanta tsy miandany”

“Raha governemanta tsy hanao afa-tsy fifidianana, ka governemanta tsy mitanila sy tsy miandany ary hanatanteraka izay tapaka amin’ ny fikaonandoham-pire­nena: izay no takina.” Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny MFM, Rako­tovazaha Olivier, manoloana ny fanovana na fanamboarana governemanta amin’izao. Eo indrindra koa ny fiatrehana fifidianana filohan’ny Re­poblika amin’ny 9 novambra sy 20 desambra.
Mba tsy hisy intsony ny fangalaram-bato amin’ny fifidianana, ny fiverenan’ny anarana amin’ny lisi-pifidianana… Misy izany hatramin’ izao. Izay no itakiany governemanta tsy mitanila. Noho izany, fanitsiana ny lalàm-pifidianana sy fanamboarana ny lisi-pifidianana ary fanadiovana ny Ceni no tokony hatrehina.
Fifandimbiasan-toerana tsy misy raorao

Mba hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara eto amintsika. Izay no hisian’ny fifandimbiasan-toerana, tsy misy raorao sy olana.
“Ny tena atahoranay, sao miverina amin’ny krizy nisy hatramin’izay momba ny fifidianana”, hoy izy. Raha hisy governemanta hatsangana, governemanta tokony handrafitra ny paika hanatanterahana ny politika an­kapobe faritan’ny filohan’ny Repoblika. Inona intsony no vita ao anatin’ny enina na valo volana amin’izao fotoana izao? Tsy ara-potoana intsony ny zavatra azo tanterahina amin’izany. Ny hanao Prai­minisitra amin’izany toe-javatra izany, tsy mifanandrify amin’izay tokony hatao.

R. Nd.

Partager sur: