Olan’ny rugby : manohana ireo ligy 5 mpanohitra i Fenohasina

Miombon-kevitra amin’ireo filohan’ny ligy 5: Betsiboka, Menabe, Atsinanana, Boeny, Vakinankaratra manohitra an-dRakotomalala Marcel, filohan’ ny Malagasy Rugby, Rakoto­ma­lala Fenohasina, filohan’ny ligin’Analamanga rugby teo aloha. “Mitaky ny hanaovana ny fivoriambe tsy ara-potoana ny tenako, mba hijerena ireo rafitra an-tanan-tohatra toy ny “Séction”, ny ligy, ny Fede­rasiona”, hoy ihany ity filohan’ ny ligin’Analamanga teo aloha ity, ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Makis Andoha­tapenaka.
Nomarihiny fa tsy misy ireo rafitra telo ireo ny Malagasy Rugby. Mangataka ny hijerena manokana ny ligin’Anala­manga Rakotomalala Fenohasina, tsy mbola manana filoha ity ligim-paritra iray ity. Manamafy ha­trany ny fitakiany izy, amin’ny tsy hanombohan’ny fifanina­nana Top 20 raha tsy milamina ny disadisa misy eo amin’ny Malagasy Rugby.
“Tsy anisan’ireo ekipam-pirenena 4 sangany aty Afrika intsony ny Makis, taorian’ny nanafoanana ny Top 14”, araka ny heviny ihany. Tsiahivina fa nilaza Rakotomalala Marcel, fa efa anisan’ireo sangany aty Afrika ny rugby malagasy.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: