Afa-po tanteraka tamin’ny fitantanan-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby i Coralie Van Den Berg, solontenan’ny World Rugby, nandritra ny fitsidihana ny rugby teto Madagasikara. Araka ny tatitra izay nataony tamin’ireo mpanao gazety, omaly, teny Ankorondrano. Tsiahivina fa tomponandraikitra amin’ny fanohanana ny Rugby aty Afrika eo anivon’ny rafitra World Rugby Ramatoa Coralie Van Den Berg.
Nijery sy nanara-maso ny fizotran’ny fitantanan’ny Federasion’ny rugby eto Madagasikara no tena anton-dian’izy ireo. Nilaza izy fa hatao eto amintsika ny lalao famaranana ho an’ireo ekipa 4 vehivavy. Izy ireo, izay hiady ny ho tompondakan’i Afrika sy ny hiadiana ny tapakila roa hanaovana ny lalao maneran-tanin’ny rugby amin’ity taona 2023 ity, izay mitondra ny anarana hoe WXV. Anisan’ireo hiady ny tapakila amin’izany ny XV Makis Ma-dagasikara vehivavy, Kenya, Kameronina, Afrika Atsimo.
Nohamafisin’i Coralie Van Den Berg fa mahafinaritra ny mahita ireo malagasy mijery sy mankafy tanteraka ny Rugby. Araka ny filazan-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy rugby, hamboarina ny Kianja Makis Andohatapenaka.
Fitia (Mpianatra asa)