Vahoaka miray: “Tsy kilalaon-jaza ity”

“Tsy kilalaon-jaza ny fi­renena. Aza mifamitapitaka. Takatry ny vahoaka izay tianareo holazaina”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray (Vami), i Gaby Vakiniadiana, manoloana ny hanovana ny mpikambana eo anivon’ny go­ver­nemanta.
“Misy asa mandeha ao anatin’ny valo volana, raha minisitra no soloina. Ireo teknisianina amin’ny minisitra no soloina, raha hoe mety tsy nahavita. Manahirana raha minisitra no soloina. Inona no tanjona?” hoy izy.
Manana tanjona ny mpitondra nisaotra an’ireo minisitra. Avy eo, haverina… Go­vernemanta fanerena ve hajoro? Satria handeha ny fifidianana. Misy paikady politika ny fanovana? Raha efa akaiky hifarana ny lalao baolina kitra, tsy maintsy manova ny mpanazatra. Ny dikan’izay, na mandamina lalao na mieritreritra fandresena izy. Tsy hanao fanafihana intsony. Mieritreritra toy izany ihany ve amin’izao fahoriam-bahoaka izao? Raha tena vokatra ho an’ny vahoaka tadiavina mano­loana ny fanovana minisitra, tsy tafavoaka intsony. Valo volana mialoha ny fifidia­nana vao miresaka sosialim-bahoaka? Taiza hatramin’ izay ilay fanjakana milaza hoe miasa be sy miasa andro aman’alina?
Tsy mahatsiaro an’izany ange ny vahoaka. Tsy mety ve izay sosialiam-bahoaka izay taloha?

R. Nd.

Partager sur: