Noraisim-potsiny ! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy (CSP5) ny sabotsy teo teny Anosy ny jiolahy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamina vaky trano. Nianika tamboho teo amina trano iray eny Anosy akaikin’ny toeram-pisakafoana iray izy ny Asabotsy tamin’ny 2 ora sy 50 mn. Tsy nampoizin’ilay jiolahy anefa fa Inspecteur de police no mipetraka ao amin’ity trano ity ka niantso polisy miasa ao amin’ny CSP5 izy. Henon’ilay polisy ity olon-dratsy ity niditra tao an-tokontaniny. Tonga haingana teny an-toerana ny polisy CSP5 ka tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny tokoa ilay jiiolahy. Efa tafavoakany teny ivelan’ny tamboho ny bisikileta iray an’ny tompon-trano. Nosamborina avy hatrany izy ka nentina nihazo ny biraon’ny polisy. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana natao azy.
Jean Claude