Trano 35 indray hotohoton’ny afo, anjatony ireo traboina. Io no vokatry ny haintrano mahatsiravina nitranga ao amin’ny fokontany Ampasimbola kaominina ambanivohitr’ Ampasimazava distrikan’i Vavatenina, ny zoma tolakandro teo. Trano falafa sy biriky ireto may ireto, araka ny fanazavana voaray avy any an-toerana. Voalaza fa vokatry ny afon-tsaribao tsy novonoina noho ny fitsitsiana afokasoka no nahatonga ny loza. Lasa nandeha niasa tany an-tanimboly ny tompon-trano ka nisoko niadana tao ny afo. Nahazo ny rindrin-trano, vetivety dia niakatra ny firehitry afo. Nanano sarotra ny fifehezana ny afo, saingy na teo aza anefa izany, tsy nisy ny naratra na aina nafoy. Kaominina saro-dalana Ampasimazava satria mandeha an-tongotra 18 km avy eo Maromitety miala ny lalam-pirenena faha 22A na fiara tsy mifidy lalana vao tonga any an-toerana. Tsy misy fiara mpamono afo rahateo ao amin’ny renivohitry ny distrika.
Sajo/J.C